Communication présidentielle (de Pretoria)

Publié le par Ny marina tsy maty

FILOHAN'NY REPOBLIKAN'I MADAGASCAR

Pretoria, Alarobia 22 Aprily 2009

Ny Filohan' ny repoblikan' i Madagasikara Marc Ravalomanana dia nihaona
tao Pretoria omaly tamin' i Kgalema Motlanthe, Filohan'ny Repoblika Afrika
Atsimo ary Filohan'ny SADC am- perinasa. Talohan'izany fihaonana izany
dia nitsidika tao Gaborone ny Filoha Ravalomanana ary nihaona tamin'ny
Filohan'ny Botswana Seretse Khama Ian Khama.

Niresaka momba ny toe-javatra ankehitriny ao Madagasikara tamin'ny Filoha
Motlanthe sy Khama ny Filoha Ravalomanana. Nisaotra ny Filoha Motlanthe
sy ny Filoha Khama ary ny SADC izy, noho ny fanohanana natolotr'izy ireo.
Nanolotra fiarahabana manokana ho an'ny Filoha Motlanthe izy noho'ny
fitarihany ny firenena Afrika Atsimo alohan'ny fifidianana demokratika
androany. Hanara-maso akaiky ny fifidianana anio ny Filoha Ravalomanana.

Naverin'ny Filoha ny finianany hiara-miasa amin'ny antoko rehetra izay
manaja ny lalám-panorenana sy ny lalána rehefa tafaverina ao Madagasikara
ny tenany. Hanana feo ireo rehetra manohana ny demokrasia sy tia
filaminana, eo amin'ny fanorenana governemanta vaovao.

Nolavin'ny Filoha Ravalomanana ny fizarana fahefana amin'i Andry Rajoelina
sy ireo mpikambana ao amin'ny Haute Authorite de Transition. "Nandika
lalana izy ireo tamin'ny fanonganam-panjakana izay nolavin'ny firenena
rehetra maneran- tany." Nanamarika izy fa ny fitsarana no hanapaka momba
azy ireo. "Tsy mipetraka amiko izany fa hanaja ny fanapahan-kevitra
raisin'ny fitsarana mahaleo tena ny tenako rehefa miverina ho tan-dalana
ny firenana" hoy izy.

Hiverina any Madagasikara tsy ho ela ny Filoha Ravalomanana. Amin' izao
fotoana izao izy dia mbola manohy ny asany eo amin'ny fitadiavana
vahaolana hiverenan' ny filaminana maharitra sy fampandrosoana an' i
Madagasikara.

--

OFFICIAL PRESS RELEASE
PRESIDENCY OF THE REPUBLIC OF MADAGASCAR

Pretoria, Wednesday 22th April 2009

His Excellency, Marc Ravalomanana, President of the Republic of
Madagascar, and President Kgalema Motlanthe, President of South Africa and
current Chairperson of SADC, met yesterday in Pretoria. Their meeting was
preceded by a visit earlier in the day to Gaborone where President
Ravalomanana met with President Seretse Khama Ian Khama of Botswana.

President Ravalomanana discussed the current situation in Madagascar with
both President Motlanthe and President Khama. He thanked both President
Motlanthe and President Khama for the support of their countries as well
as SADC. He offered special congratulations to President Motlanthe for his
service to South Africa on the eve of democratic elections. President
Ravalomanana will be closely observing today's elections.

The President repeated his intention to "work with all parties who respect
the Constitution and rule of law" upon his return to Madagascar. All those
that support democracy and peace will have a voice in re-building an
inclusive government.

President Ravalomanana rejected any possibility of sharing power with
Andry Rajoelina and members of the High Transition Authority. "They broke
the law and carried out a coup d'état that was condemned by the entire
international community." He noted that it would be up to the judicial
courts to decide on the consequences of their actions. "That is not my job
but I will support the decision of an independent judiciary once the rule
of law is restored."

President Ravalomanana continues to work toward a peaceful solution to the
situation in Madagascar. He is preparing for a return to Madagascar in the
coming weeks.

--
Communication Secretariat
Presidency of the Republic of Madagascar
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article