29 mars 1947

Publié le par Christiane



Daty tsiaro tsy hay fafàna
Mariky ny fitiavana
Dia ilay herim-po nafàna
Hiady ho an'ny tanindrazana

Fa fitia tsy nila tambiny
Tsy noho ny haja na ny harena
No nanandratany ny hambony
Hamoy ny ainy ho fandresena

Tsy nivadibadi-teny
Tsy mba niovaova izany
Fa ny teny mba nomeny
Dia ny hanafaka ny tany.

Raha miherika aoriana
Dia toa maty fotsiny ihany
Ireny Maritiora Tiana
Raha jerena ny androany

Fa i Madagasikara
Lasa zanatany indray
Novidiny ka nizara
Tsy mba handry fehizay

Tsy ny marina intsony
No ventesina hanjaka
Nohamafisiny ny fony
Ny fankahalana no mifaka

Raha mba nifampitaona
dia misy foana ireo vidiana
Tsy misy mahafoy fotoana
Miandry fotsiny, mangina

Fa raha samy hiaro ny ainy
Raha samy hihenahena
Dia aleo hogejainy
Sy hanjakany ny harena

Mbola fotoana ny androany
Hijorona ho lehilahy
Mbola mila anao ty tany
Mbola mila anao ho sahy

Mba ho fitiavana mangarana
No hitiavan-tanindrazana
Ny fo madio no hamantarana
Ny tena fahendren'ny razana

Ho hiraintsika ny fitiavana
Ireo tanantska hifandray
Hifamihina sy hihavana
Ny nosintsika ho iray

Ka ny heriko sy ianao
Ho fahatsiarovana ao afara
Ho fandresena vaovao
Avotr'ilay Gasikara

Tsy noho ny vola na harena
Tsy hoe tetika hahazo toerana
Fa fitiavam-pirenena
no hijoroana hanoherana

****************************************29 mars 2009 ****Christiane***

















Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :

Commenter cet article