Madaplus: ils pillent encore !!!
Nanomboka ny alarobia hariva teo no niala teny Faravohitra ireo mpiambina ny fonenan’ny Filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, etsy Faravohitra. Nisy ny nanararaotra izany ka niditra an-keriny nandroba ny tranony. Ora iray taorian’izany no nigadona teny an-toerana ireo mpitandro ny filaminana ka vaky nandositra ireto mpanararaotra. Nidanadana ny varavarana ka avy hatrany dia nisava ny tao an’efitrano rehetra ny mitandro ny filaminana. Arakan y nambaran’ireo mpiambina sivily teo an-tanàna dia « efa tsy misy entana sarobidy intsony tao amin’ity trano ity fa enta-mavesatra sisa no tafajanona tao. Ireo seza sy latabatra mora zaka ihany no lasan’izy ireo ».
Nanomboka omaly dia nisokatra ho an’ny besinimaro iny lalana hihazo an’i Faravohitra iny raha tsy azo naleha nandritra ny taona maro. Hatramin’ny omaly dia ny polisy avy ao amin’ny Gir no miambina ity tanànan’ny Filoham-pirenena teo aloha ity.
JR