Sarin-tongotra ankavia

Publié le par Christiane

Dia solafaka indray
Ilay tongotro ankavia
Nahatoky fa hoe iray
Ny lalana hiraisan-dia

F'Ilay iray t'ankavanana
Tanjona hafa no narahiny
Vola no nahamitahana
Namotehany ny namany

Indro potraka ary isika
Very Ray nianteherana
Ny lalàna dia voadika
Ny jiolahy tsy notoherina

Dia nikombona ny vava
Nalaina nihetsika handresy
Ny ratsy no nivazavaza
Ny horohoro no nisesy

Fa lasa aiza ireo lehilahy?
Nitsoaka aiza ireo zokiolona?
Toa very ny fanahy
Efa zary niolonolona

Ny fitiavantsika tena
No nampisaraka antsika
Jereo izao ny firenena
Maty nohon'ny politika

Matahotr'ho very fananana
Matahotra ny hoe ho faty
Matahotra ho very namana
Matahotra ho resy an'ady

Tsy eo intsony manko i Rado
Hanohitra ny famoretana
F'isika efa nanjary bado
tsy nanana ilay hery hientana

Fa resy ianao ry Gasikara
Tsy manan'olona intsony
Ny vahoaka he mizara
Manam-po milonilony


Fa IZAHO TSY HANGINA
HITSANGANA AHO FA VEHIVAVY
KA NA TSY HISY FIRAISAN-KINA
NA TSY HISY HIANGAVY


Ho an'ilay tongotro ankavia!

Christiane 19 mars 2009

Commenter cet article